CORONAVIRUS : 18 no voa, 17 no sitrana

Miisa 18 indray ny isan’ny tranga vaovao voalaza tamim-pomba ofisialy androany. Ny 7 tamin’ireo dia teto Antananarivo, 6 Toamasina, 4 Analanjirofo ary 1 tany Ihorombe. Fitiliana miisa 131 no nahitana io vokatra io.

Mitontaly 1 290 izany no efa voan’ity tsimokaretina ity teto amintsika.

17 kosa no sitrana ka 11 tao Toamasina ary 6 teto Antananarivo. 384 izany ireo efa sitrana hatrizay.

Miisa 897 kosa ireo mbola tsaboana, ka mijanona ho 9 hatrany ireo manana fahasarotana.

Mijanona 10 ihany koa ny isan’ireo namoy ny ainy.

Mitontaly 15 981 moa ny isan’ny fitiliana rehetra natao hatrizay.

Hamafisina ny fepetra

Manoloana ny fanalefahana ny fihibohana ka hifaneraseran’ny mpiasa maro sy ny mpivarotra samihafa dia mila hatevenina hatrany ny fitandremana.

Ankoatra fitondrana ny sarontava, izay efa tokony ho ao anatin’ny fiainana andavanandro dia tsy tokony hadino mihitsy ny fanasana tànana matetika. Avy amin’ny fandraisan-javatra samihafa manko no mety hitondrana ny tsimokaretina ka ilaina ny manasa tànana tokony ho isaky ny adin’ny iray.

Vous aimerez aussi