Tsy ferana ny fivoahan’ny vehivavy mankany ivelany rehefa manana « visa » izy. Saingy ho hentitra kosa ny fijerena ny antotan-taratasiny.
Anisan’ny fanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina izany, ny hariva teo, nandritra ny Fandaharana manokana, tao amin’ny fahitalavitra.
Tsy mbola nisy ny famerana vehivavy na olona mivoaka any na dia tamin’ny faha-mpanjaka aza, hoy ihany izy. Saingy atao kosa ny fiarovana ireo vehivavy noho izy ireo diso fanantenana rehefa tonga any, satria iharan’ny fanandevozana moderna. Anisan’izany ny fahavoazana mihatra amin’ireo vehivavy miasa any amin’ireo tany arabo sasantsasany sy any Sina.
Misy indray ny antso vonjy
Amin’izao fotoana izao dia misy indray ny antso vonjy ataon’ireo vehivavy 100 mahery miasa ao Koweit satria mijaly loatra izy ireo. Ny 50 amin’ireo aza dia nambaran’ny Filoha fa any am-pigadrana.
Nambarany aza fa namoy ny aina tamin’ny famonoan-tena ny vehivavy iray atao hoe Marie Louise satria mafy loatra ny nahazo tany. Hany ka izany vatana mangatsiaka izany no novantanin’ny iraky ny Filoham-pirenena tany an-toerana.
Tsy afenina fa tsy vitsy amin’ireo vehivavy misisika mankany no tonga hivaro-tena, kanefa dia fijaliana goavana no iainana avy eo. Manoloana izany no nandraisany fepetra manokana tamin’ny fampodiana ireo vehivavy malagasy tany Koweit sy Liban noho ny fanandevozina mihatra amin’ireo mpiray tanindrazana.
Hojerena ny fiasa eny Ivato
Nambaran’ny Filoha fa hijery imaso ny fizotran’ny asa eny amin’ny seranam-piaraminidina Ivato ny tenany, satria tsy hekena intsony ny fanomezam-bola ahazoana mivoaka moramora eny.
Araka izany, tsy mitombina ny filazana sy ny tsaho fa mila alalana avy amin’ny vadiny ny vehivavy malagasy vao afaka mivoaka any ivelany. Atao kosa ny fisorohana mba tsy hitrangan’ny toe-javatra mampalahelo indray.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

