BAKALOREA 2019 : Hisy ny fihodinana faharoa

Hisy ny fihodinana faharoa na ny « 2ème session » amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea amin’ity taona ity. Anisan’ny fanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina koa izany, tao amin’ny fandaharana manokana nataon’ny fahitalavitra, io alina io.

Tsy hisy ny famerenana fa ho tsaraina, araka ny tokony ho izy hatrany iny fanadinana iny. Koa izay afaka dia arahaba soa arahaba tsara. Ary izay tsy afaka kosa no hiatrika izany fihodinana faharoa izany. Koa heverina hatao afaka andro vitsivitsy aorian’ny fivoahan’ny valim-panadinana izany fihodinana faharoa izany, hoy ihany izy.

Laza adina mivoaka mialoha

Manoloana ny savorovoro noho ny fivoahan’ny laza adina mialoha kosa no nanambaran’ny Filoha fa efa mizotra araka ny tokony ho izy ny famotorana an’iny.

Anisan’ny voarohirohy amin’izany ny tompon’andraiki-pampianarana tao Imeritsiatosika. Mbola hisy koa ny fanadihadiana lalina atao eo anivon’ny Office du Baccalauréat.

Tsy maintsy hatolotra ny Fitsarana izay tompon’antoka ka nahavanona iny zava-doza iny ary sazy henjana no miandry ireo izay nahatanteraka izany, satria ny fiainana sy ny hoavin’ny tanora malagasy mihitsy no voahosihosy.

Vous aimerez aussi