TETIKASA FIHARIANA : 4 amin’ny 9.500 no nahazo famatsiam-bola

Efatra amin’ireo antotan-taratasy 9.500 no nahazo famatsiam-bola amin’ny tetikasa Fihariana hatreto, raha ny ao Mahajanga no asian-teny.

4.300 ny dosie efa voadinika, ka tetikasa efatra (4) no efa nahazo famatsiam-bola, dia ny famboarana lagilasy (glace alimentaire), ny fanaovana tsaoka (na craie) vita amin’ny plâtre, orinasa mpanao siramamy, izay nahazo 181 tapitrisa Ar, ary ny fahefatra dia ny orinasa mpanondrana trondro maina mankatsy amin’ny nosy Kaomoro.

Voalaza fa toosika ho an’ireo tanora manana tetikasa kanefa tsy manam-bola ity fandaharana asa Fihariana ity kanefa vitsy dia vitsy no mbola mahazo izany na dia aza ny fampirisihana ireo tanora mba hanana fahavitrihana.

Betsaka ny tsy an’asa

Miisa 400.000 any ho any ireo tsy an’asa eto Madagasikara. Ny ¾ ny tanora anefa dia miaina ao anatin’ny fahantrana avokoa. Izany hoe mandray vola latsaky ny  6.900 Ar isan’andro. Zara fa mandray karama latsaky ny farany ambany ny 1/3 izy ireo noho ny fanararaotan’ny mampiasa satria tsy misy ny asa.

Tsy misy anefa ny vola entina miainga amin’ny fikasana hanaovana asa tena. Manahirana ny mindram-bola eny amin’ny banky noho ny tsy fananana antoka. Eo ihany koa ny zanabola alainy, izay mitentina any amin’ny 17 ka hatramin’ny 30 isan-jato.

Noho izany no antony mahatonga ny tetikasa Fihariana, izay tsy misy afa-tsy 5 ka hatramin’ny 9 % ny zanabola takiana aminy.

Hisy moa ny fanomezana fiofanana ho an’ireo tanora manana tetikasa kanefa tsy mbola mahafehy izany ary mbola misokatra ho an’ny rehetra manerana ny Nosy ity tetikasa hatramin’izao.

Vous aimerez aussi