Tsy re be tsy re kely intsony hatreto ny mety mbola ho fitohizan’ny fizarana ny Vatsy Tsinjo avy amin’ny fanjakana. Tsy hay hafenina tahaka ny tafika andrefan-tanàna anefa ny fahasahiranana miha- mitombo andro aman’alina iainan-dRamalagasy vokatry ny hamehana ara-pahasalamana izay mitarika hanao ny fihibohana noho ny covid- 19.
Tsy mangarahara
Maro amin’ireo mponina eto an-drenivohitra sy ny manodidina no nanambara fa lavitry ny fangaraharahana ny fomba nitsinjarana sy nitantanana ny Vatsy Tsinjo. Mandraka ankehitriny, tsy nisy fanampim-panazavana sy fanambarana ofisialy voaray ihany koa avy amin’ireo tomponandraikitra ny amin’ny hanohizana na tsia ny fanatanterahana ny Vatsy Tsinjo ary ny tatitra amin’ny antsipiriany momba ny asa vitan’izy ireo.
Ireo sefom-pokontany maromaro manodidina ny renivohitra tsy nihambahamba nanambara fa mila fanatsarana ny fomba fitantanana ny vatsy tsinjo raha toa mbola ho tohizana mba hipaka tokoa amin’ireo mponina tojo fahasahiranana ambara fa marefo izany. Vanimpotoana sarotra no lalovan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny izay tokony hanehoan’ny fanjakana fa eo mandrakariva izy miahy sy miaro ny vahoaka. Tsy mbola mahatsiaro ho miaina izany tanteraka anefa Ramalagasy raha ny zavamisy iainana eny anivon’ny fiarahamonina. Ny fandriampahalemana marisarisa, ny sehatry ny asa fivelomana mandringa mba tsy hilazana hoe mikatso amin’ny ankapobeny, sns. Ny hamehana ara-pahasalamana anefa mbola hitohy anatin’ny 15 andro. Nankalazaina indray tato ho ato ny fisian’ny “tosika fameno” nambara fa fanampiana ireo tena sahirana. Manahy sahady anefa ny ambanilanitra sao hanao tahaka ny vatsy tsinjo indray koa ny “tosika fameno” ka halaza tsy hihinanana toy ny vilian-tsahona fotsiny. Mila fanaraha-maso akaiky sy fomba fiasa matotra ny fanatanterahana hetsika anatin’ny vanimpotoana mavaivay toy ny misy antsika izao raha toa ka te hahazo vokatra tsara.


