ADY AMIN’NY ARETINA “DENGUE” : Nametraka paikady ny Governemanta

Tonga tao Mahajanga ireo mambran’ny Governemanta, iraky ny Filohampirenena, nihaona mivantana tamin’ireo “Comité de Vigilance pour la Lutte Contre les Epidémies” sy ny mambran’ny CCO COVID-19 Boeny, izay notarihin’ny Préfen’i Mahajanga sy ny Lehiben’ny faritra Boeny mpisolo-toerana, Atoa Bazezy Clavelah. Ny Ministry ny Raharaham-bahiny, ny dokotera Tehindrazanarivelo Djacoba Liva sy ny Ministry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, ny profesora Assoumacou Elia Béatrice no nanatanteraka izany iraka izany niaraka tamin’ireo delegasiona namany. Nanotrona azy ireo ihany koa ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Rtoa Rahantanirina Lalao, sy ny solombavambahoaka voafidy tao Mahajanga II ary ireo Loholon’i Madagasikara avy ao Mahajanga. Nitety fokontany maromaro amin’ny ilany antsinanan’ny tampon-tanànan’i Mahajanga ireto delegasiona ireto nitsidika ireo olona mitondra ny aretina Dengue, izay tazo mahery azo avy amin’ny kaikitry ny moka. Ankoatra izay dia hametraka paik’ady izy ireo ho famongorana ity valan’aretina ity ka hiarahan’ireto mambra eo anivon’ny governemanta ireto amin’ireo mpitondra eny ifotony izany. Hitohy ny alatsinainy 4 sy ny talata 5 May ao an-drenivohitr’i Boeny ny iraka ampanaovin’ny Filoha an’ireto mambran’ny governemanta ireto. Nomarihin’ny Ministry ny Raharaham-bahiny, fa na dia eo aza ny fisian’ity valan’aretina ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga ity, dia tsy misy akory ny maty fa ny marary ihany no misy ary maimaim-poana avokoa ny fitsaboana azy ireo. Tsiahivina fa 27 ny isan’ireo mararin’ny tazo nanaovana fitiliana tany amin’ny “Institut Pasteur de Madagascar” tany am-boalohany, ny 24 tamin’izy ireo no voamarina fa voan’ny Dengue.

Vous aimerez aussi