Entana sarobidy maro dia maro, izay mitentina an-tapitrisany maro koa no norobain’ny andian-jiolahy tao amin’ny tokantrano iray, etsy Antsahabe, ny tolakandron’ny alahady lasa teo.
Maty paika ny fandrobana nataon’ity andian-jiolahy ity satria fiaraha-miasa efa voakajy no nampiasaina.
Mipetra-drery ity lehilahy tompon-trano ity na dia misy mpiara-monina vitsivitsy ihany aza miray fonenana aminy amin’ity trano lehibe ity. Toa efa narahin’ireo jiolahy maso ny fihetsika rehetra fanaon’ity tompon-trano ka nampiasain’ireo tontakely ny finday ho fifampilazana ny tsy maha-ao ilay tompon-trano.
Vao vantany niala ny tranony, ka nandeha tsy lavitra izany ity lehilahy, no nifampiantso ireo mpangalatra ka nanao ny asa ratsiny.
Koa nisy ny andiany tonga namaky sy nandroba ny entana tao an-trano ary ny hafa nanara-maso ny dian’ity lasibatra.
Satria somary naharitra ny dia nalehan’ity tompon-trano tany ivelany dia nanam-potoana nanararaotana izany ireo jiolahy. Tao anatin’ny orana nijohy rahateo no nanatanterahana ny vaky trano ka sondriana nanao ny nataony tany ivelany koa ny tompon-trano.
Koa very tamin’izany ireo entana maro sarobidy sy ny vola.
Tsy nisy intsony ny mpitandro filaminana
Anisan’ny faritra mahazo vahana amin’ny halatra samihafa iny Antsahabe iny tato ho ato. Ankoatra ny vaky trano dia eo koa ny halatra entana anaty fiara, izay tsy hananan’ireo jiolahy antra fa hamakian’izy ireo ny fitaratry ny fiara mihitsy.
Nangina ary tsy hita intsony amin’iny faritra iny rahateo ny fisian’ny andiana mpitandro filaminana manao fisafoana ka manararaotra tanteraka ny mpangalatra amin’ny endriny rehetra.
Mangina ny tanàna rehefa alahady ka manararaotra ny jiolahy. Amin’ny fotoana tahaka izany indrindra anefa no ilàna ny mpiaro ny vahoaka sy ny fananany. Raha tsy hoe tsy miasa alahady angaha ny mpitandro filaminana.


