Tahaka ny andavanandro hatrany ny fahitana ny fiainana tao ho ao. Mivoaka ny ankamaroan’ny olona, mifamoivoy ny fiara maro, misokatra ny mpivarotra piesy, ny tao-trano,… Raha akapoka dia tsy misy ny fiarovana amin’ny fiatrehana ny valanaretina coronavirus mihitsy.
Manoloana izany dia naka fepetra hentitra ny tompon’andraikitra ka namoaka ny mpitandro filaminana isan-tsokajiny, mba handroaka ny olona hamonjy fodiana.
Nandroaka sy nisava
Hita teny amin’ny faritra Analakely, Behoririka, Ankorandrano, Anosibe, Petite vitesse,… noho izany ireo polisy mandrindra ny fifamoivoizana ka manafaingana ny fodian’ny fiara. Teo koa ny fanakatonana ireo mpivarotra mbola nivoha, ny tolakandro. Nisy ihany koa anefa ny fisavana ny fiara sasany, izay somary niteraka fitohanana, teny Ankorondrano.
Nentanina, araka izany, ny rehetra ary nampahafantarina fa tsy ireo olona nandeha tamin’ny zotram-piaramanidina na ny havany ihany no mety ho voan’ity areti-mandoza ity fa izay rehetra nifampikasoka taminy sy ny olona hafa tsy misy anavahana.
Tsy ny rehetra nandeha fiaramanidina no voa
Araka izany, mety hahazo ny rehetra ny coronavirus rehefa tsy misy ny fitandremana. Na izany koa aza, tsy ireo rehetra nandeha fiaramanidina tonga teto dia lazaina ho voan’io aretina io avokoa. Noho izany, tokony hatsahatra ihany koa ny tondro-molotra ilazana fa atsy na aroa dia misy mitondra ilay tsimokaretina, indrindra ireo olona avy any ivelany.
Ny tsy hiparitahan’ny valanaretina no tanjona, ka ilana ny fahamailon’ny tsirairay, amin’ny fijanonana an-trano, indrindra ny fahafantarana fa olon-tsotra tsy nisy fifampikasohana tamin’ireo avy any ivelany no fantatra fa mitondra tsimokaretina.


