Rehefa tsy ho voafehy ihany ny fitangoronana eny amin’ny tsena mora fa tsy haterina hamidy isan-tokantrano ireo entana dia aleo mba hasiana fahitalavitra lehibe eny an-toerana mba hanarahan’ireo tsy manana fahitalavitra ny vaovao maneran-tany.
Aleo mba ho hitan’ireo mpilaha-bary ny fahasahiran’ireo hopitaly lehibe any ivelany, ny vatapaty mitandahatra any amin’ireo firenen-dehibe efa mandroso, ny fitateran’ny kamiaon’ny miaramila ireo faty halevina tsy atrehim-pianakaviana na hanaovana fara veloma amin’ny fotoam-pivavahana,…
Sady mahara-baovao ireo mpilaha-bary no afaka misaintsaina ny zava-misy ary afak’andro amin’ny filaharana sakafo mora koa.
Ilaina kosa anefa ny fiambenana amin’ny tokony hanajana ny elanelana 1 metatra mba hisorohana amin’ny fifampikasohana. Efa niseho manko iny ny tranga voalohany amin’ny fifindran’ny otrikaretina noho ny fifampikasohana teto amintsika fa tsy tonga avy tany ivelany intsony.
Mora mandray lesona manko ny Malagasy ka ny fahitany ny zava-misy maneran-tany no ahafahany maka lesona. Toe-tsaina efa faha-Ntaolo rahateo ny : « Tsy mino ny maty raha tsy avy mandevina ».
Tsy ny madinika ihany ny maka lesona avy amin’izany fa na dia ireo tompon’andraikitra ambony tsy manana stratejia hizarana ireo fanampiana samihafa aza.
Dia hiandrasana ny Filoham-pirenena ihany koa ve ny handahatra ireo olona hielanelana iray metatra ? Rehefa tsy misy ihany ny fifamoivoizana, inona no tsy handaminan’ny polisim-pirenena sy kaominaly ireo mpilahatra ?
Mora mifindra ny aretina. Tsy mba fantatra na aiza ho aiza ireo olona tonga tamin’ireo sidina talohan’ny 15 marsa lasa iny. Toa tsy misy fantatra ny momba azy ireo. Moa ve azo antoka tokoa fa tsy nitondra ilay otrikaretina izy ireny ? Sao sanatria ka misy no efa mitondra ny tsimokaretina kanefa salama ka na izy tenany aza tsy mahalala. Sao dia tokony hiditra amin’ny fihibohana faobe hentitra aza isika ?
Lahy tokana ny aina ka tsy tokony ho diso aoriana ny fandraisana fanapahan-kevitra. Sa sanatria hiandry ny « soa ho lavo hahay hamindra » ?

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

