Notontosaina teny Antanimbarinandriana, ny alarobia lasa teo ny Tsena mora ho an’ireo mponina mipetraka amin’ny Boriborintany fahaefatra, ato anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nambaran’ireo tompon’andraikitry ny tsena anefa fa tsy maintsy manaraka ny hamehana ara-pahasalamana ireo olona miantsena rehetra. Voalohany amin’izany ny fanaovana ny aro-vava, faharoa ny fanajana ny 1 metatra, ary eo ihany koa ny fitiliana izay ataon’ireo mpitsabo eny amin’ireny tsena mora ireny. Marihana etoana, hoy ny ministry ny varotra izay tonga teny an-toerana, fa tsy maintsy zaraina aro-vava avy amin’ny fitondram-panjakana ireo olona miantsena rehetra eny amin’ny tsena mora ary tsy misy anavahana izany. Hentitra ihany koa ireo tompon’andraikitra amin’ny fampanajana ny fepetra rehetra napetraky ny fanjakana ho an’ireto olona milahatra eny amin’ny tsena mora ireto. Tsy ny teny Antanimbarinandrina ihany no nandraisana izay fepetra hentitra izay, fa amin’ny toerana rehetra misy ny tsena mora, hoy hatrany ny ministra tompon’andraikitra.


