FAHITALAVITRA REAL TV : Niharan’ny ankasomparana

Tsy afaka nanapariaka ny sary sy ny feo intsony ny fahitalavitra tsy miankina Real TV, nanomboka, ny omaly alarobia. Rehefa nangataham-panazavana ireo mpitantantana ity fahitalavitra ity dia nanambara fa nisy nanao ankasomparana nanimba ny fitaovana fanapariahana ny feo sy ny sary, teny Ambohimitsimbina. Nahitana fahasimbana tsy hita noanoa ny « émetteur », hoy ny teknisian’ny Real TV ary ho sarotra ny hanamboatra izany. Nisy vadintany tonga teny Ambohimitsimbina nandray an-tsoratra ny fahavoazana nahazo ny fitaovana teny an-toerana. Hitondra ny raharaha amin’ny sehatra ambonimbony kokoa, araka izany, ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Real TV ahafantarana izay rangory fototry ny afo.

Nanamarika hatrany ireo mpitantana ny Real TV fa tsy vao izao izy ireo no misedra fanakatsakanana sy antsojay tahaka izao. Na eo aza anefa izany, tsy kivy tsy ketraka izy ireo fa mbola naneho fahavononana hatrany hanatontosa ny adidy masina takian’ny asa fanaovan-gazety. Voaporofo indray, araka izany, fa mandalo fotoan-tsarotra sy sedra mivaivay ny fahafahan’ny mpanao gazety manao ny asany.

Vous aimerez aussi