TSENA MORA : Noferana ny zavatra novidiana, tezitra ny mpilahatra

Vao nandray ny fepetra rehetra hisorohana ny valan’aretina coronavirus ny filohampirenena dia ny fanaparitahana ny tsena mora, mba hahazoan’ny tsirairay sakafo no vaindohan-draharahan’ny mpitondra. Nampitomboina 49 isan’ny “Point de Vente” n’ny tsena mora ary natao ny fizarana sy ny famarotana izany, isaky ny alatsinainy, ny alarobia ary ny zomà.

Amin’izao fotoana izao anefa dia betsaka ireo olona no mitaraina, fa lasa noferan’ireo tompon’andraikitry ny tsena mora ny zavatra vidiana sy alaina eny an-tsena, hoy izy ireo. Ny vary dia mijanona ho 3 kilao isan’olona, fa ny menaka izay tokony  ho 1 lilatra isaky ny olona dia noferana ho tapany. Tsy mahazo mihoatra izany ary noferan’ireto tompon’andraikitra ireto koa, fa vola 4500 ariary ihany no entina rehefa milahatra eny amin’ny tsena mora. Nambaran’ireo  tompon’andraikitry ny tsena, fa tsy ampy ny entana tonga eny amin’izy ireo, ka nahatonga izay fampihenana ny menaka alaina izay. Miteraka fahasorenana  ho an’ireo olona izany, satria misy amin’izy ireo vao maraina dia efa milahatra, nefa mbola noferana ny zavatra alainy. Miantso ny tompon’andraikim-panjakana mba hijery sy hanaramaso ireny tsena mora ireny, fa maro ireo olona no tezitra sy niakampeo, noho izay fihetsika izay. Marihana, fa mbola tsy voahaja ihany koa ny 1 metatra eny amin’ny filaharana ny tsena mora.

Vous aimerez aussi