FANAMPIANA ARA-TSAKAFO HO AN’IREO ZOKIOLONA : Voailika izay tsy nahaloa adidy sy tsy manana karatra maitso

Tsy nanao fanambarana ny filohampirenena Andry Rajoelina, hoe izay tsy mahaloa adidy eny amin’ny fokontany sy tsy manana karatra maitso, dia tsy mahazo fanampiana ara-tsakafo, noho ny fahamehana ara-pahasalamana amin’ity valan’aretina coronavirus ity. Nahitana olana ho an’ireo zokiolona sy ny be antitra anefa ny fizarana fanampiana ho azy ireo, teny amin’ny fokontany Tsaramasay, ny alarobia lasa teo, satria, efa misy ny lisitra nalefan’ny komitim-pokontany sy ny sefo fokontany ary efa voafaritra ny isan’ireo zokiolona mahazo ny fanampiana. Ny zokiolona 65 taona dia tsy mahazo fanampiana, fa ny 85 taona mihoatra no mahazo izany, hoy ny fanazavana. Mbola jerena ihany koa raha manana karatra maitso na tsia izy ireo. Zavatra 2 no takian’ny fokontany amin’ireo be antitra sy zokiolona ireo dia raha tsy nahaloa adidin’ny fokontany sy tsy manana karatra maitso dia tsy misitraka io fanampiana ara-tsakafo io. Niteraka olana sy fimenomenomana ho an’ireto be antitra ireto anefa izany ary dia maro tamin’izy ireo no nody maina, afak’omaly. Fanampiana sokajy 2 no tonga teny amin’ny fokontany Tsaramasay, hoy ny fanazavana, ka nisy ny natokana ho an’ireo mahantra sy sahirana, ireo marefo ara-pivelomana ary misy ny natokana ho an’ny zokiolona. Lasa nisy kiantranoantrano noho izany ny fizarana ireo fanampiana ireo. Mangataka fanazavana ny zava-misy amin’ny fitondram-panjakana, ny mponina eny Tsaramasay, fa misy ambadika izao tsy nahazoan’ny zokiolona fanampiana izao. Nampalahelo nijery ireo be antitra nidanika ny hain’andro !

Vous aimerez aussi