Teratany sinoa roalahy no voasambotry ny mpitandro ny filaminana tsy nanao arovava, ny maraina teo. Teo akaikin’ny Shoprite Analakely no tratra, ka avy hatrany dia niditra tamin’ny fanasaziana azy ireo, ny mpitandro ny filaminana, ka nasaina nanadio zaridaina teny Analakely izy ireo.
Tsy mifidy olona hosaziana ny mpitandro ny filaminana, fa na teratany vahiny na malagasy, rehefa tratra tsy manao arovava, dia saziana avy hatrany, araka ny baiko nomen’ny filohampirenena, dia ny fanaovana asa iombonana na “Travaux d’Intérêt Géneral” na TIG. Efa nisy hatrany ny fanentanana nataon’ny mpitondra mikasika ny hamehana ara-pahasalamana sy mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina coronavirus. Efa nomena herinandro isika mba hiomanana sy hanajana ireo fepetra napetraka, fa manomboka androany alatsinainy dia tsy maintsy manao arovava ny olon-drehetra tsy ankanavaka. Manaja ny 1 metatra, sns. Tsy misy indrafo intsony, fa izay tratra tsy manao tampim-bava na iza na iza dia hiharan’ny sazy avy hatrany.
Hitohy amin’ity herinandro faha efatra ity amin’ny fihibohana an-trano isika, ka ho hentitra ny fanaraha-maso ataon’ireo tompon’andraikitra sy ny mpitandro ny filaminana amin’ny fampanajana ireo fepetra rehetra napetraka hatramin’ny voalohany.


