Namoaka ny heviny mikasika ny fanampiana azony sy ny fanafody fanefitry ny Covid19 tao anaty tambanjotran-tseraserany Rah-Ckiki. Nambarany, fa raha samy miandrandra fanampiana avokoa ny rehetra ao anatin’izao fihibohana izao, dia mifanohitra amin’izany ny mpanakanto Rah-Ckiki. Rehefa nantsoin’ny namany an-telefaonina mba haka ny anjara fanampiana tokony ho azy mantsy ity mpanakanto ity dia niteny tamim-pahatsorana izy, fa hafoiny ho an’ireo mahantra sy sahirana ara-pivelomana ny anjarany ka zarao ho an’ireo tena sahirana, hoy izy.
Mikasika ilay tambavy Covid – Organics novokarin’ny IMRA ary hita eto amintsika iadiana amin’ny Covid-19 indray, dia niantefa manokana tamin’ny filoham-pirenena izy ny amin’ny tsy tokony hanomezana mora foana izany fanafody izany amin’ireo firenena any ivelany. Tokony hisy sandany izany, hoy izy ary tokony ho tsapan’ireo firenen-dehibe rehetra, indrindra fa ireo mpanambany ny Malagasy, fa aty Madagasikara no misy ny fanalahidy fanefitry ny valan’aretina Covid-19. Tao anatin’ny tambajotran-tseraserany moa Rah-Ckiki no naneho ireo heviny ireo.


