Tsy azo atao ny mamory olona mihoatra ny 50, anisan’ireo fepetra noraisina mba tsy hipariahan’ny covid- 19. Indrisy anefa, zary resaka fotsiny fa tsy misy fampiharana hentitra raha ny zavamisy eny amin’ireo toerana voatokana hilaharana ny « Tosika Fameno »…
Vao amin’ny 04 maraina dia efa filaharambe no tazana saika manerana an’Iarivo toy ny eny Ankorondrano, Antanimena, Mahamasina, sns . Malagasy sahirana miandrandra ny hisitraka ilay vola 100 000 Ar « Tosika fameno » ireo mitandahatra tsy manaja intsony ny elanelana 01 metatra ireo. Manginy fotsiny ny tsy fanaovana ny arovava, raha misy mitondra izany aza ny maro amin’ireo mpilahatra, dia eny amin’ny saokany na ny handriny izy ireny no tazana fa tsy manarona ny vava sy ny orona akory.
Gaboraraka hahiana hitera-doza !
Mahavalalanina ! tsy ahitana mpitandro ny filaminana mandrindra sy mampihatra ireo fepetra ara-pahasalamana takiana amin’izao fihanaky ny covid- 19 izao ireo toerana natokana hanatanterahana ny « tosika fameno » fa ny gaboraraka no manjaka. Gaboraraka izay hahiana mafy hampihanaka anatin’ny fotoana fohy ny covid- 19 eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Velom-panontaniana ny maro, rehefa amin’ny fotoana inona no hentitra amin’ny fampiharana ireo fepetra hisorohana ny fipariahan’ny valanaretina ireo tomponandraikitra eto amintsika. Ny fanaovana taingin-droa amin’ny moto, ohatra, nahasarotiny fatratra ireo mpitandro ny filaminana. Toraka izany ihany koa ny fanaovana arovava rehefa mivoaka ny trano fonenana. Ny mahavariana anefa, ny « tosika fameno » miteraka filaharam-be mitarika amin’ny tsy fanajana intsony ireo fepetra ara-pahasalamana tazanim-potsiny.


