Manoloana ireo resabe etsy sy eroa momba ny fanambarana ny fisian’ny olona efa matin’ny coronavirus, nazava ny fanambaran’i Ahmad Ahmad. « Tsy mbola misy matin’ny covid- 19 izany mihitsy teto amintsika ». Nanantitra ihany koa ingahy minisitra fa mangaraharaha tanteraka ny vaovao hatosaka manodidina ny fivoaran’ny coronavirus eto Madagasikara toy ny fikirakirana ny tarehimarika sy ny fizotran’ny fitiliana. Ho tohizana hatrany ny fomba fiasa anatin’ny mangarahara, hoy hatrany i Ahmad Ahmad, tomponandraikitra voalohany amin’ny fahasalambahoaka.
Tazomoka, dengue, laharam-pahamehana koa
Manoloana ny tazomoka sy ny dengue izay mamely mafy any amin’ny faritra atsimo, nanambara ny minisitra fa efa nandefasana fanafody ireo distrika tena voakasika toy ny any Betroka, Ikalamavony, Manja, Befotaka, Marolambo ary Bekily. Hitohy any amin’ny distrikan’i Manakara, Vohipeno, Manajary, Toamasina II ary i Brickaville ny fizarana ireo fanafody. Hisy ihany koa ny fametrahana ny paikady maika « Plan d’urgence » ahafahana manafaingana ny fomba fiasa ho fiatrehana ireo valanaretina.
Miara-dalana amin’ireo ny fanatanterahana ny famendrahana ranom-panafody toy izay efa natao tany Tsiroanomandidy, Ankazobe ary nifarana tany Amparafaravola ho famonoana ny moka mpitondra otrikaretina. Tafidtra anatin’ny laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana sy ny filoham-pirenena ihany koa, araka ziany, ny fiatrehana ny tazomoka sy ny dengue, hoy ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Ahmad Ahmad. Raha tsiahivina efa namoizana aina maromaro ny tazomoka sy ny dengue tato ho ato.


