Teo anelanelan’ny volana janoary hatramin’izao Jona 2020 izao, niisa 52 000 ireo tranga na doro tanety teto Madagasikara. 100 000 Ha isan-taona ihany koa ireo ala ripaka. Ao anatin’izao fihibohana izao, manararaotra toy ny banga mihomehy alina ireo mpanimba tontolo iainana. Anisan’ireny ireo mpanao trafika na hazo sarobidy toy ny andramena.
Tsy ireo biby sy zava manan’aina mivelona any anatin’ireo ala ihany no mizaka ny vokadratsin’ny fanimbana ny tontolo iainana fa mitondra faisana ihany koa Raolombelona. Ampahany amin’izany ny fahalotoan’ny rivotra iainana sy ny rano sotroina. Tsikaritra ho mitombo sy miha mahery vaika hatrany ny fisehon’ireo loza voajanahary toy ny rivo-doza, haintany, sns. Mahazo vahana ihany koa ny aretina.
Raha tsiahivina, mandritra ny volana jona izay diavintsika ity no hanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana. Fanentanana ny isam-batan’olona hikajy mandrakariva ny tontolo iainana no handrafitra ny fotoam-pankalazana ho an’ny maneran-tany.


