LALANA 67 HA VATOBE : Simba tanteraka, mila fanamboarana maika

Potika tanteraka, ahitana lavaka ary zara raha misy tara (goudron) intsony ny ampahan-dalana etsy amin’ny 67 ha vatobe. Vokany, vao mainka mampitombo ny fitohanan’ny  fifamoivoizana ao anatin’ny ora maro ny fahapotehan’ity lalana be mpampiasa ity.

Manampy trotraka izany ny firongatry ny fandrobana anaty fiara sy ny sinto-mahery noho ny fiara tsy maintsy mampihena ny hafainganam-pandehan’izy ireo noho ny lalana ratsy. Ireo mpandeha an-tongotra ihany koa iharan’ny harom-paosy vokatry ny fifanosehana eny an-toerana.

Nijanona ho fampanantenana ?

Anisan’ny fampanantenana nataon’ny mpitondra ankehitriny ny hirosoana amin’ny asa fanamboaran-dalana mandritra ny fotoanan’ny fihibohana. Hatreto aloha tsy mbola anisan’ireo nokitihana sy nanaovana asa fanamboarana ny ampahan-dalana eny amin’ny 67 ha vatobe. Nanamarika ireo monina eny an-toerana fa efa tao anatin’ny fotoana lava no nahasimba tanteraka ilay ampahan-dalana saingy tsy nisy nihaino ny antso avo maro be efa nataon’izy ireo ny amin’ny tokony hanamboarana malaky ny lalana. Inoana fa efa andalana ny amin’ny hanamboarana ny lalana eny amin’ny 67 Ha vatobe ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany.

Vous aimerez aussi