“Tononkira efa mitapy”, hoy ny tarika Ny Ainga ao anatin’ny vazony iray izay. Toa tanteraka ara-bakiteny izay voambaran’ity tarika ity raha ny zavamisy no asian-teny. Maro amin’ireo tononkiran’ny mpanakanto ankehitriny no tsy mazava intsony amin’ireo mpihaino ny hafatra tiany hampitaina sy ny fanabezana azo tovozina ao anatiny. Misy mihitsy aza moa teny iray na andalanteny iray no miverimberina any anatin’ilay tononkira dia vita “hono” ny hira.
Ny mpanakanto anefa, araka ny ambara ombieny ombieny, no mpampita hafatra sy anisan’ireo mpanabe ny olom-pirenena. Fanabeazana toy inona tokoa moa izany no afaka tovozina anatin’ny tononkira tsy mirakitra hafatra sy tsy misy vontoatiny tahaka izay re ankehitriny ? Raha tsiahivina, nisy ny “sivana” ho an’ireo hira alefa amin’ny onjam-peo tany amin’ny vanimpotoanan’ny Repoblika voalohany. Sao mila iverenana ny fampiharana izany mba ahafahana misoroka ny fahavoazana maro ateraky ny fanapariahana ireo “Tononkira efa mitapy” ho an’ny mpanjifa sy ireo taranaka mila beazina mba ho olombanona. Saino ihany !


