FANAPOTEHANA TONTOLO IAINANA : Sangany ny Malagasy

Anisan’ireo firenena mitana ny laharana voalohany amin’ny fandorana ny tanety i Madagasikara. Nambaran’ireo manam-pahaizana misehatra amin’ny tontolo iainana fa mihazakazaka tokoa ny tahan’ny fanimbana ny ala amin’ny faritra andrefana, afovoany atsinanan’ny nosy. Toerana samy be ala maniry fahiny saingy efa miha karakaina sy ngazana ankehitriny vokatry ny fanaovana ny tevy ala miampy ny fanondranana tsy ara-dalàna sy gaboraraka ny hazo.

Voaporofo

Ny firenena Amerikanina tamin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia avo lenta toy ny zanabolana “aqua” sy ny “terra”, efa tany amin’ny taona 2018, dia nahita fa feno doro tanety ny faritra maro eto Madagasikara. Tazana tamin’izany  ireo teboka miloko mena maro be mipariaka saika manerana ny nosy, indrindra fa tamin’ireo faritra voatanisa tetsy aloha. Ny fiakaran’ny vidin-kazo saika isanandro vaky izao miampy ny fahasahiranana vokatry ny tsy fisian’ny arina fandrehitra nitranga imbetsaka . Ireo rehetra ireo dia efa tokony hanaitra sy hitarika ny Malagasy handray fepetra malaky ho amin’ny fanarenana ireo ala levon’ny afo ary koa hiezaka hiaro ireo mbola mijoro ”velonaina”.

Misy lesoka ?

Maro ireo fikambanana sy vovonana mijoro etsy sy eroa mitonona ho mpiaro ny tontolo iainana. Bolongam-bola be no fantatra fa mikoriana ao anatin’izy ireny.  Ny tsapan’ny maro aloha hatreto dia toa be tsy andraofana ary toy ny tanam-poza ihany izy ireny fa tsy mbola hita mivaingana ny ezaka sy ny asa lehibe vita ho amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Toa fisehosehoana ivelany no betsaka amin’ny alalan’ny hetsika fambolena zanakazo. Rehefa vita tokoa mantsy ny fanatsatohana “fambolena” azy ireny dia tsy misy ny fanaraha-maso sy ny fikarakarana izany. Vokany, ambany dia ambany ny tahan’ny fahombiazana azo avy amin’ny fambolen-kazo eto amintsika. Raha mitohy izao, ho anaran-tsy very ihany sisa izany atao hoe : “Ala atsinanana” izany. Aza hitako hono !!!

Vous aimerez aussi