TOETRANDRO : Hitohy ny rotsakorana

Mbola anatin’ny fotoam-pahavaratra tanteraka isika eto Madagasikara. Nomarihan’ny sampana mpamantatra ny toetrandro, etsy Ampandrianomby, fa mbola hitohy ny rotsakorana saika manerana ny Nosy.

Hanatombo izany, ny alarobia ho avy izao, ho an’ny faritra Analamanga . Ny fisian’ilay rindrin-drahona mandalo eto Madagasikara sy ny fikorontanan’ny toetrandro amin’ny ankapobeny, no antony miteraka ny rotsakorana betsaka misy ankehitriny.

Mila mailo

Vokatry ny fahabetsahan’ny rotsakorana eto Analamanga dia ahiana ny hahavaky ny fefiloha manamorona ny reniranon’ny Sisaony, Ikopa ary Imamba. Mila mailo, araka izany, ireo mponina eny an-toerana hisorohana ny mety ho fahavoazana izay mety hiafara hatrany amin’ny famoizana aina mihitsy. Efa nahazo taona rahateo ireo fefiloha miaro ny lemak’Antananarivo koa tsy azo antoka loatra intsony rehefa tojo rotsakorana manao tohivakana tahaka ny misy ankehitriny eto Antananarivo.

Azo ambara ho mandrora mitsilany ihany ireo mponina eto Antananarivo mizaka ny fiakaran’ny rano isaky ny fotoam-pahavaratra tahaka izao. Maro amin’ireo mponina eto an-drenivohitra sy ny manodidina no manary fako anatin’ireo lakandrano. Manginy fotsiny ny fanotofana tany etsy sy eroa sy ny fanorenana trano ambonin’ireo lakandrano. Mila hentitra ny kaominina amin’ny fikajiana ny lafiny fahadiovana isorohana ny mety ho fipariahan’ny fako mety hanentsina ireo lakandrano. Tsy fotoanan’ny fifanomezan-tsiny intsony anefa izao fa ny fiaraha-mientana ho amin’ny fisorohana ny loza mitatao no maika mba tsy hamoizana ny aina lahitokana.

Vous aimerez aussi