LALAO FAHINY : Nanjavona ankehitriny

Tsy tazana intsony, ary maro amin’ireo taranaka Malagasy ankehitriny no tsy mahalala akory ny fisian’ireo karazana kilalao fahiny nentin’ny Ntaolo Malagasy nanabe vatana, saina ary fanahy ireo taranany.

Singanina amin’ireny lalao fahiny ireny ny katro, fanorona, fampitaha ary ny asa ampinga. Ity farany izay voasokajy ho fanatanjahatena sy fandranitana ny saina hahay hitadidy ihany koa.

Anjakan’ny vahiny

Ireo karazan-dalao nentin’ireo Vahiny no manjaka sy mahazo laka eto amintsika ankehitriny. Mety hisy ny alaim-panahy hilaza hoe : Inona ny olana amin’izany ? Mety tsy ho tsapan’izy ireny angaha fa mamolavola toe-panahy sy fomba fisainana vahiny ho an’ireo kilonga Malagasy ny filalaovana azy ireny izay hahiana hitarika fahaverezan’ny hasin’ilay soatoavina voarakitra anatin’ireo lalao fahiny.

Zovy tamin’ireo taranaka Malagasy notinaiza tamin’ny lalao fahiny tokoa moa no tsy nahafantatra ny maha sarobidy loatra ny aina avy amin-janahary, ny tokony handalana mandrakariva ny firaisankina sy ny fihavanana omban’ny fifandeferana sy ny fahaiza-mihaino ny hafa ? Nitondra fanabeazana, fialana voly ary fanokafana ireo vavahadin-tsaina miisa dimy misy eo amin’ny Olombelona tokoa, araka izany, ny fampiasan’ireo Ntaolo Malagasy ny lalao fahiny. Inona àry no tsy hanomezana sehatra azy ireny indray ankehitriny ho enti-manarina sy manitsy ny toe-tsaina mibirioka vokatry ny fitosahan’ireo lalaom-bazaha izay maro amin’izy ireny no tsapa sy hita fa mifanohitra tanteraka amin’ilay soatoavina Malagasy? Manana anjara biriky ho amin’izany ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny kolontsaina sy ny fifandraisana ary ny isam-batan’olona. Sanatria ve dia hijanona ho Valalan’amboa mandrakariva ny fankafizan’ny Malagasy ireo kolontsaina, vakoka ary fomba amam-panaon’ireo Ntaolo teto amintsika ? Aleo Malagasy mandroso fa mijanona ho Malagasy e !!!

Vous aimerez aussi