Tokatrano marefo miisa 15000 eo no hisitraka ny fanampiana avy aminy fitondrampanjakana ao Toamasina.
Fizarana « vatsy tsinjo » izay natao manokana mba hitsinjovana ny fotoana izay hibohana ao an-trano.
Nanomboka omaly ariva ny fizarana ity « vatsy tsinjo » ity ka ny minisitry ny Mponina sy ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina ary ireo tomponandraikitra ambony rehetra , no nitarika izany fizarana fanampiana izany.
Mitady vahaolana ny fitondrampanjakana ary miezaka manatitra ny « vatsy tsinjo » isan-tokantrano no sady manamafy ny fanentanana ireo olona ireo mba hijanona ao an-trano.
Ireo vahoaka izay tena mila fanohanana amin’izao fotoan-tsarotra atrehan’ny firenena izao no nozaraina ity fanampiana ity ary hiparitaka eny anivon’ny boriboryitany 5 misy eto Toamasina izy ireo, ary hitety trano na « porte à porte » mba hialana amin’ny fifamoriam-bahoaka.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

