TETIKASA « TANA MASOANDRO » : Tsy mbola nandalo fanadihadiana

Tsy mbola nandalo fanadihadiana ara-tontolo iainana ny tetikasa « Tanà Masoandro »,  hoy ny tomponandraikitry ny ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana (na ny ONE), Ampilahy Laurent.

Raha ny tokony ho izy dia mandalo amin’io fanadihadiana ara-tontolo iainana avokoa ireo tetikasa rehetra, na an’ny Fanjakana izany na an’olon-tsotra. Indrindra ireo tetikasa mety hanelingelina ny fiainam-bahoaka. Ary anisan’izany indrindra ny tetikasam-panjakana Tanà Masoandro.

Afindra aiza ny olona

Roa volana lasa izay no efa nasian-teny ny mikasika ity tetikasa ity. Nanambara anefa ny teo anivon’ny ONE fa tsy  mbola nanomboka ny fanaovana izany fanadihadiana izany noho ny tsy fahafenoan’ny antontan-taratasy na dia efa nisy tokoa aza ny voaray.  Eo koa anefa  ny tsy fahampian’ny ara-bola hanatanterahana azy.

Ankoatra izany dia anisan’ny zava-dehibe indrindra ny  « Plan d’Action Réinstallation » (PAR)  na  ny drafitra fanatanterahana ny famindrana ny olona voakasika.  Mbola eo am-panatanterahana ny fanadihadiana momba io anefa ny tompon’andraikitra.

Dingana 8

Miisa 8 ny dingana atao, ahazoana mamoaka ity fahazoan-dàlana ara-tontolo iainana ity, ary tsy maintsy mandalo sivana eo anivon’ny  ONE  izany.

Voalaza moa fa manodidina ny 50 eo ny isan’ny fanadihadiana atao isan-taona, mahakasika ity fanadihadiana ara-tontolo iainana ity. Maro indrindra amin’izany ny sehatry ny harena ankibon’ny tany sy ny indostria ary ny fizahantany.

Ny Faritra Analamanga no mitana ny laharana voalohany amin’izany raharaha izany. Faharoa manaraka azy Atsimo andrefana, Atsinanana ary Diana.

Vous aimerez aussi