« Tsy hivarotra ny taninay mihitsy ’zahay ! ». Mbola niarahan’ny mponina niredona indray izany, io maraina io, teny amin’ny fefiloha. Nisy indray manko ny hetsika niarahan’ny mponin’Ambohidrapeto, Fiombonana, Ankadimanga ary Anosibe Zaivola io maraina io noho ny resaka fanotofana tanimbary hanaovana ny tetikasa Tana Masoandro.
Mandrangitra ny fanjakana
Tsy fantatra mazava izay tian’ireo tompon’andraiki-panjakana atao fa vao mainka miteraka fahatezerana eo amin’ny mponina ny fihetsiny, hoy i Eric Randrianaivo, mpitarika ny tolona eny.
Nambarany hatrany fa ny avy amin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany no nandefa ny taratasy, izay mampiantso solontena 7 na 9 avy amin’ny mponina. Efa mazava anefa ny resaka, hoy izy, ary tsy ny solontenan’ny mponina no tompon’ny tanin-drazana fa izao vahoaka marobe izao. Hita, noho izany, fa fanakorontanana tsotra izao no atao amin’ny vahoaka efa milamina. Tsapa fa fandrangitana sy fampiadiana ny samy mpiara-monina ety no atao.
Vidin-tany
Ny vontoatin’ny taratasy dia manontany avy hatrany ny vidin’ny tanin’ilay olona, hoy ihany ny fanazavany, kanefa tsy mbola nilaza ny famarotany ny taniny akory ny tsirairay.
Andrasana, araka izany, ny fahatongavan’ny avy amin’ny Domaines. Ny « Domaines » izay eo ambany fitantanan’ny « Aménagement ». Ity farany anefa efa nahazo hafatra matetika tamin’ireo vahoaka ireo, kanefa mbola sahy mandefa teknisiana kely manakorontana saim-bahoaka ety ihany.
Efa nifanaiky
Tsy mahavaha- olana anefa ny fampihantsiana sy ny korontana satria efa nifanaiky tamin’ny tompon’andraikitra ny mponina fa tsy hisy ny hetsika raha toa tsy mbola misy ny fifampidinihana mazava.
Malahelo ny mponina manoloana ny zava-misy satria efa nisy ny dinika nataon’ny solontenan’ireo distrika 4 tamin’ny solontenam-panjakana, toy ny fanalana ny mpitandro filaminana teny an-toerana. Tampoka eo anefa dia misy indray ny fanakorontanana amin’ny fandemena tanteraka ny saim-bahoaka. Voadika araka izany ny fifampidinihana.
100 mahery no efa nivarotra ny taniny, hoy ny Minisitra
Araka ny fanambaran’ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny toeram-ponenana ary ny Asa vaventy, Hajo Andrianainarivelo, io maraina io ihany anefa, dia fa efa zato (100) mahery no isan’olona nivarotra ny taniny, noho ity tetikasa ity ary mbola mitohy hatrany ny fifampiresahana sy ny fandresen-dahatra. Efa atao, araka izany, ny fikarakarana ny taratasin’ny tsirairay, hoy ihany ity Minisitra ity.
Andrasana hatrany, araka izany, ny tohin’ity tantara Tana Masoandro ity.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

