Feno tanteraka ireo mpilalaon’i Barea hiatrika ny fihaonana amin’ny Etiopia, ny sabotsy izao, amin’ny 4 ora tolakandro, etsy Mahamasina.
Efa tonga eto an-tanindrazana ny maraimbe teo ireo mpilalao efatra miarahalahy tavela tany Parisy, dia Abel Anicet, Njiva, Rayan ary Morel. Efa tonga eto an-drenivohitra ihany koa izy efatra mirahalahy avy amin’ny Fosa Junior, izay avy niatrika lalao tany Mahajanga, dia i Fabrice, Théodin, Jean Yves ary Baggio. Efa eto ihany koa i Ibrahim Amada. Tsy handray anjara amin’ity lalao hatao ny sabotsy ity kosa i Bapasy fa voatana amin’ny lalao hatony atsy La Réunion. Vonona kosa anefa ny teny amin’ny lalao manaraka.
Feno ary vonona tanteraka, araka izany, ny mpilalaon’i Barea, hiatrika ity lalao hatao ny sabotsy ity. Betsaka ny fanantenana satria efa miakatra rahateo ny haavon’ny kitra malagasy.
Mbola mitohy izao tolakandro izao moa ny fanazarantenan’izy ireo, izay efa otronin’ny mpakafy baolina maro.
Lavareny ny filaharana tapakila
Vao maraina dia efa nanao tohivakana ny filaharana amin’ny fividianana tapakila, tetsy amin’ny foiben’ny Federasion’ny kitra malagasy, etsy Isoraka.
Omaly moa no efa nivoaka ny famarotana ny tapakila ho an’ny tribune afovoany (80.000 ar), izay inoana fa efa lany amin’izao fotoana hanoratana izao. Androany kosa ny an’ny tribune antsisiny, izay sandaina 30.000 ar. Tamin’ny 4 ora maraina dia efa nisy ny nilahatra izany na dia tamin’ny 9 ora aza vao nisokatra ny famarotana ny tapakila.
Ny sabotsy amin’ny 6 ora maraina kosa no hamidy 10.000 ar, eny Mahamasina, ny tapakila ho an’ny eny amin’ny gradin. Amin’izany ora izany koa moa dia hisokatra ny vavahady miisa 3.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

