Ny 60 %-n’ireo kandidà ho Ben’ny Tanàna eto amin’ny Faritra Analamanga ihany hatreto no nanao sonia ilay « Teny ierana hanompo vahoaka ». Izy ity moa dia fitsipika hifampifehezana mandritra ny fifidianana ho Ben’ny Tanàna sy Mpanolontsaina, hatao ny 27 novambra ho avy izao.
Manomboka eny amin’ny fampielezan-kevitra no efa manankery ity dina ifampifehezana ity ary mandritra sy aorian’ny fifidianana indrindra koa.
Izany dia ho fanomezan-toky fa hanatanteraka ireo teny nampanantenaina nandritra ny fampielezan-kevitra ireo kandidà rehetra.
Handray andraikitra
Nanterin’ny Jly Charles Rabemananjara, mpikambana eo anivon’ny komity iombonana sy ny Fampihavanam-pirenena, io maraina fa fifampifehezana eo amin’ny mpifidy sy ny kandidà ho fidiana no vontoatin’izao dina izao. Afaka mampatsiahy tsara ny Ben’ny Tanàna, araka izany, ny vahoaka nifidy azy raha toa ka misy tsy tanterany ny fampanantenana nambarany nandritra ny fampielezan-kevitra. Ny fanaovan-tsonia izany dia efa fanekena sahady fa hanao sy handray ny andraikiny tanteraka sy an-kitsipo ilay kandidà rehefa tonga eo amin’ny toerany.
Filaminana sy fandrosoana
Nisy ireo kandidà izay niezaka ka namakivaky lohasaha sy nitety rano mihitsy nanao sonia ity « Teny ierana hanompo vahoaka » ity, na dia mbola tao anatin’ny fampielezan-kevitra aza, hoy ihany ny Jeneraly, satria vonona hijoro fa tsy ho kandidà fotsiny izy ireny.
Manoloana ny fandrovitana ny peta-drindrin’ny mpifanandrina kosa no nanambaran’ity manam-boninahitra ity hatrany fa ilaina ny fihavanana na dia ao anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka aza, satria tsy misy fandrosoana raha tsy misy ny filaminana.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

