Efa nandalo dingana samihafa ny mikasika ireo nosy 5 izay tsy tokony hiadian-kevitra ireto. Tsy hiadian-kevitra mihitsy satria dia tanin’ny Malagasy tsotra izao.
Ny taona 1896 : Nofoanan’ny Antenimierampirenena frantsay ny fanjakana malagasy ary niditra tamin’ny fanjanahantany teo ambany ziogany isika. Voazanaka ihany koa, araka izany, ireo nosy ireo, izay niampy an’i Ste Marie sy Nosy-Be.
04 aprily 1960 : Nisy ny didim-panjakana nanala ireo nosy 5 ireo. Nanameloka izany anefa ny Firenena Mikambana satria tsy mifanaraka tamin’ny rafitry ny firenena mikambana izany fanasarahana ny tany amin’ireo nosy ireo izany.
Ny taona 1973 : Nangataka ny hamerenana ireo nosy 5 ireo ny kapiteny Didier Ratsiraka, fony izy Minisitry ny Raharaham-bahiny.
Ny taona 1975 : Lasa Filoham-pirenena izy ka nitsidika trano iray atao hoe Malakà, ao amin’ny nosy Juan de Nova. Nanao fanambarana ny Amiraly tamin’izany fa hametraka toby miaramila ao amin’ity nosy ity. Taitra ny frantsay, noho izany, ka nasainy namoaka didy ny Prefektora tao amin’ny nosy La Réunion, mba hanasokajy ireo nosy ireo ho lasa « réserves naturelles intégrales ».
12 desambra 1979 : Nisy ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana momba ireo nosin’i Madagasikara ireo ary tamin’izany no namoahana ny fehin-kevitra 34/91 ary nanambaran’ny Firenena Mikambana fa haverin’ny frantsay tsy misy hatak’andro ireo nosy 5 ireo.
Ny taona 1980 : Nampatsiahy ny Frantsay ny Firenena Mikambana ny amin’ny tokony hanatanterahana haingana ireo torolàlana laharana 34/91. Tsy nisy tohiny anefa ny raharaha.
Ny taona 2005 : Namoaka didy ny fanjakana Frantsay fa atambatra ho fananan’ny frantsay, amin’ny alalan’ny tany miaraka amin’ny « terre australe » sy « antarctique » ireo nosy 5 ireo.
Desambra 2008 : Nanome fahazoan-dàlana hitrandraka solika an’ireo orinasa lehibe ny Ministeran’ny Tontolo Iainana frantsay.
Mihoatra ny 75 tapitrisa euro isan-taona ny vola miditra amin’ny Frantsay, amin’ireo nosy 5 ireo.
7 jona 2010 : Nanao fanambarana tamin’i Maorisy ny Fanjakana frantsay fa omena azy (Maorisy) ny nosy Tromelin izay ao anatin’ny îles Eparses. Nisy ny fifanarahana nataon’ny roa tonta tamin’izany.
Taorian’izany anefa dia nivoaka ilay fifanarahana Zone Economique Spécial (na ZES), izay nandraisan’i Madagasikara anjara ihany koa.
19 aprily 2014 : Nanao fanambarana ampahibemaso, teo anivon’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana, tany Whasington, ny Filoha malagasy tamin’izany, fa miroso ny fifanarahana ho amin’ny fiaraha-mitantana ireo nosy 5 ireo, miaraka amin’ny Frantsay.
Taorian’izay dia nisy ny fihetsiketsehana nataon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny ambaratonga ambony sy ny sendikan’ny vondron’ny ministeran’ny raharaham-bahiny, ka nanoratra mivantana tany amin’ny Fanjakana frantsay, izay tsy nanaja ny fifanarahana iraisam-pirenena.
May 2019 : Nanambara ny Filoha amperinasa fa ho vitaina haingana ny momba ny fifanarahana amin’ireo nosy ireo.
18 novambra 2019 : Nitsangana ny komisiona handinika ny amin’ireo nosy malagasy ireo.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

