Tontosa ny maraina teo ny fanaovan-tsonia nataon’ireo kandidà ho Ben’ny Tanàna sy Mpanolontsaina eto Antananarivo Renivohitra mikasika ny dina fifampifehezan’ireo kandidà, izay nomena ny anarana hoe : « Teny ierana hanompo vahoaka ». Tetsy amin’ny Cite Ambatonakanga moa no nanatanterahana izany. Ny fiaraha-monimpirenena no anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fikarakarana azy ity ary ao indrindra koa ny komity ivondronan’ny avy amin’ny CENI, Samifin, Safidy, Rohy,…
Ny tanjona amin’izao fihetsika izao dia ny mba hisian’ny fifidianana madio sy mangaraharaha amin’izao fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolontsaina izao. Koa hisy, noho izany, ny fitoriana ireo kandidà minia mandika ny dina ifanaovana.
3 no kandidà tonga
Kandidà telo amin’ireo 5 mpilatsaka eto Antananarivo Renivohitra ihany no tonga nanao sonia ity « Teny ierana hanompo vahoaka » ity. Dia ny kandidà laharana voalohany, Ralaiarimanana Elias, ny laharana faha-3, Faniry Alban Rakotoarisoa ary ny laharana faha-4 Naina Andriatsitohaina.
Mbola manana fe-potoana hatramin’ny 25 novambra kosa anefa ireo kandidà 2 sisa hanatanterahana izany.
Tokony hanao sonia ny rehetra
Tokony hanao sonia ity « Teny ierana hanompo vahoaka » avokoa, hono, ireo kandidà mpilatsaka ho fidiana Ben’ny Tanàna sy Mpanolontsaina ho faneken’izy ireo ny fitsipi-pitondrantenany amin’izao fiatrehana fifidianana izao.
Misy andininy miisa 33 eo ity dina ity, izay mitanisa ireo tokony hotanterahin’ny kandidà, mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Anisan’izany ny fanalavirana ny herisetra, ny fihantsiana, ny fanentanana ny olom-pirenena hifidy,…
Anisan’ny zava-dehibe voarakitra ao ihany koa ny hanaovan’ireo mpilatsaka ho fidiana ny fanambaram-panana, araka ny lalàna amin’ny fanombohana sy fiafaran’ny fe-potoana iasany raha toa ka lany ho Ben’ny Tanàna na Mpanolontsaina izy.
Ho Ben’ny Tanàna mendrika
Ny teny filamatr’ity « Teny ierana hanompo vahoaka » ity moa ny hoe Ben’ny Tanàna sy Mpanolontsaina mendrika, miara-miasa, mihaino, mihevitra ary manatanteraka ny filan’ny mponina ho fampandrosoana eny ifotony.
Tsy eto Antananarivo ihany, araka izany, no voakasik’ity dina ity fa ny kandidà rehetra manerana ny Nosy.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

