AIRBUS A340 AIR MADAGASCAR : Hiverina tsy ho ela

Hiverina tsy ho ela eto Madagasikara ilay fiaramanidin’ny kaompania Air Madagascar A340-300, hoy ny Minisitry ny Fitaterana, io maraina io.

Marihina fa noho ny antony ara-teknika, izay nahasimba ny « pare brise »-n’ity fitaovam-pitaterana ity, noho ny varatra, no antony mahatavela azy ao Parisy. Hisy, araka izany, ny fandefasana fiaramanidina hafa any an-toerana, satria maharitra efatra andro eo ny fanamboarana iry voalohany. Hiainga rahampitso maraina any an-toerana, noho izany, ity fiaramanidina natao famonjena ity ary hiverina araka ny tokony ho izy ny zotra aorian’izany.

Tsotra filaza

Tsotsotra ihany ny fanambaran’ny Minisitra tompon’andraikitra ny momba izany. Rehefa zohina anefa dia fatiantoka lehibe tokoa izany. Indrindra ho an’ireo mpandeha izay maty andro sy fotoana kanefa nandoa volabe noho ny famaizana.

Fantatra moa fa anisan’ny mpandeha amin’izany ireo mpilalaon’ny Barea, toa an’i Anicet, kapiteny, Njiva, Jérémie Morel ary Rayan Raveloson. Voninahi-pirenena no arovan’izy ireo kanefa dia izao taraiky any ivelany izao.

Vous aimerez aussi