Tsy manamaivana ny fatiantoka, fa tsy vao androany io fa efa tany aloha, hoy ny Tale Jeneralin’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT, ny Jeneraly Reribake Jeannot manoloana ny fanatsaharan’ny UCTU sy UCTS amin’ny asany. Nambarany fa ny tena antony dia ny fanaovana fampanofana ny fiara, ny tsy fampiasana ny tapakila na “billet” izay mampitombo ny vola eny am-pelantan’ny resevera, ny tsy fisian’ny fitaovana fanaraha-maso, fa dia mivoaka maraina mody ny hariva. Nifampidinika tamin’ireo lohandohan’ny mpisorona tamin’ny koperativa, ka nalamina hoe mifandimby ny taksibe miasa noho ny havitsian’ny olona, saingy izy ireo no nilaza fa aleo hiasa daholo, hoy io tompon’andraikitra io. Hisy ny fandoavana ny “compensation 2017” ho an’ny mpitatitra. Efa nomena “licence” maimaimpoana 15 andro ny mpitatitra izay efa fanamaivanana azy izany. Nomena fitsirihana ara-teknika maimaimpoana koa. Asam-bahoaka io ary efa nisy fifanarahana tamin’ny fanjakana. “Aleo hiasa izay te hiasa ary malalaka ho an’izay tsy te hiasa”, hoy ity tompon’andraikitra ity. Efa krizy no misy dia mbola hovolena krizy ihany koa ve?, hoy hatrany ity tale jeneralin’ny ATT ity. Vonona hifampiresaka hatrany ny Ministera sy ny ATT, hoy hatrany ny Jeneraly Reribake Jeannot.


