CORONAVIRUS : 7 no voa, zaza 9 volana ny iray

Nitombo 7 indray ny isan’ireo olona voatily voamarina fa voan’ny tsimokaretina coronavirus na covid-19, ka anisan’izany ny zaza vao 9 volana monja. Io no tarehimarika navoakan’ny fitiliana natao ny 04 sy 05 mey lasa teo. Tsy nisy kosa anefa no voa raha tamin’ity andro alarobia ity, ary tsy nisy koa ny sitrana vaovao.

Araka izany dia mitontaly 158 ny tontalin’ny voa hatrizay.

Araka izany dia mijanona ho 101 hatrany ny isan’ireo sitrana hatrizay.

Miisa 57, noho izany, ireo olona tsaboina, izay marihina fa tsy manana olana goavana ara-pahasalamana, toy izany koa ilay zaza. Ny maty moa dia tsy misy.

Mitontaly 3.907 kosa ireo voatily hatrizay.

Antananarivo sy Toamasina

Amin’ireo voa vaovao dia lehilahy iray, 15 taona monina eto Antananarivo.

Ny 6 hafa kosa dia ao Toamasina. Anisan’izany ilay zaza 9 volana. Miampy  lehilahy 2 sy vehivavy 3.

Tsy mifidy taona

Voamarina amin’izao fahavoazana izao fa tsy mifidy taona ity tsimokaretina ity. Ity zaza 9 volana ity izany zao no fantatra fa zandriny indrindra ary 82 taona kosa no zokiny indrindra.

Ho an’ny lehibe dia azo atao tsara ny miaro tena amin’ny alalan’ny fanaovana sarontava sy ny fepetran’ny fahadiovana samihafa.

Ary noho ny maha-zaza ny zaza dia ny mpikarakara azy kosa no tokony handray fepetra lalina amin’ny fahadiovan’ny tànana sy ny sarontava indrindra ihany koa.

Araka ny fanambarana voalazan’ny Manampahaizana moa dia tsy tsara ny mampinono azy matetika. Tsy mety mihitsy koa ny manorokoroka ny zaza ary tsy mila andramana ny sakafony na ny marina kokoa tsy mifandimby sotro aminy.

Vous aimerez aussi