TAKSIBROSY : Ho ferana 15 Kg ny entan’ny mpandeha

Araka ny làlana dia tokony ho 15 kg ny lanjan’ny entana azon’ny isan’olona entina amin’ireny fitaterana an-tanety na taksibrosy ireny. Ny eto amintsika anefa dia ny refin’ny entana, izay 0,80 m ihany dia ampy hanarahana ny lalàna.

Araka ny tatitra anefa dia ny vesatry ny entana diso tafahoatra loatra no anisan’ny miteraka ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.
Araka izany dia haka fepetra ny tompon’andraikitry ny fitaterana an-tanety (na ATT).  Tsy ho izy irery ihany anefa no tompon’andraikitra fa eo indrindra koa ny mpitandro filaminana, ny lehiben’ny kaoperativa,  ny tompon’ny fiara,…

Hampiharina ny volana desambra izao, araka izany, ny fandanjana ny entana ho an’ireo taksibrosy mba ho faran’ny taona hieren-doza io fotoana mahabe ny olona mifamoivoy io.
Tao ho ao manko dia nitombo isa indray ny lozam-pifamoivoizana manerana ny Nosy, ankoatra ny hafainganam-pandeha tsy voafehy, ny olana ara-teknika, ny torimason’ny mpamily tsizarizary, ny tsy fanajana ny mpamily roa mifandimby,…

Vous aimerez aussi