FAMPIELEZAN-KEVITRA KAOMINALY : Niandoha tamin’ny fotoam-pivavahana sy diabe

Fanompoam-pivavahana fangataham-pitahiana ary diabe no hetsika nentin’ny ankamaroan’ny kandidà sy ny mpanotrona azy nanombohana ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsaina manerana an’i Madagasikara, io maraina io.

Ho an’ny teto an-drenivohitra ohatra dia teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina no nanaovan’ny kandidàn’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM)  sy ny mpanohana azy ny fotoam-pivavahana. Tetsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena kosa ny IRD ary nanao diabe manerana ny boriboritany 6 kosa ny Antoko Politika Madio, nampahafantatra amin’ny vahoaka ny kandidà atolony.

Araka izany dia mbola hanana 20 andro eo ireo kandidà hanaovana ny fampielezan-keviny ka handresy lahatra ireo vahoaka mpifidy amin’ny fifidianana hatao ny alarobia 27 novambra ho avy izao.

Hihaona amin’ny mpiasan’ny kaominina

Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana dia hisy ny adihevitra in-droa miantaona hataon’ireo kandidà 5, etsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny zomà 08 novambra sy ny alakamisy 14 novambra ho avy izao, izay hiarahana amin’ireo mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Azon’ny besinimaro hatrehina moa izany fotoana izany, satria ny momba ireo tetikasan’ny kandidà sy ny ezaka hataony no ho lohahevitra hiadian-kevitra amin’izany.

Tsy fifidianana filoham-pirenena

Fifidianana hafa noho ny rehetra ity fifidianana Ben’ny Tanàna ity. Ity manko no fifidianana manakaiky ny vahoaka indrindra ka tsy azo ianteherana amin’ny loko politika loatra.

Ny mahagaga anefa ny fisian’ny olon’ny antoko TIM vitsivitsy, izay nanao fanambarana ny hanohana ny kandidà Naina avy amin’ny IRD. Tsy fahita loatra anefa izao fitsimbadihana izao raha tsy amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ny tsy filatsahan’ny filoha teo aloha ho fidiana Ben’ny Tanàna, hono, no anton’izao fanohanana ny hafa izao.

Vous aimerez aussi