Miaramila fiandry miisa 500 lahy avy etsy Imerintsiatosika no nahetsiky ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena ho fanamafisana bebe kokoa ny ady atao amin’ny fihanaky ny covid- 19 eto Antananarivo.
Hampihatra ny fihibohana, hitandro ny fahalemana
Hisehatra betsaka ho amin’ny fampiharana ny fepetra fihibohana an-trano ho an’ireo mponina eto an-drenivohitra sy ny manodidina ireto vata miaramila 500 lahy avy etsy Imerintsiatosika ireto, hoy ny Minisitry ny fiarovam-pirenena. Tsy hisy ny fampiasana hery fa hatao ao anatin’ny fifanajana sy endrika fanabeazana ny fomba fiasa hoentina manentana ireo mponina hihiboka an-trano. Hanampy tosika amin’ny fampandriana fahalemana sy hisoroka ny mety ho endrika fanararaotana toy ny asan-jiolahy sy ny famakiana trano ihany koa ireto miaramila ireto, araka, ny fanampim-baovao voaray. Antenaina fa ho voahaja bebe kokoa manomboka izao ny fepetra fihibohana izay tsikaritra fa goragora ihany ny fampiharana azy hatramin’izay ho an’ireo mponina eto an-drenivohitra sy ny faritra manodidina. Mila fientanana sy firaisankina eo amin’ny rehetra ny ady atao amin’ny covid- 19.


