Niakatr’afo ireo mponina teny amin’ny fokontany Soavimasoandro sy Tsarasaotra noho ny fangalan’ny teratany karana ny tanin’izy ireo. Nofefena sy nasiana tamboho ity tany nohajarian’ny fokonolona ity. Efa nisy trano niorina teo amin’io tany io ary nahatratra 35 tafo izany, saingy, nony tonga ilay karana mpanambola dia izao nofefena izao ny tany ary natao “scellé”. Tsy azo idirana sy ivezivezena intsony ao ary hatramin’ny lalana aza dia voafefy koa. Voalazan’ny ray aman-dreny iray 70 taona efa nipetraka ela teo amin’ity toerana ity, atoa Rakotonirina Edmond, fa nandritry ny 30 taona izy no nipetraka teo amin’io toerana io ary izy no anisan’ny nanajary ny tany voalohany, nefa dia izao nesorina tamin’ny toerany izao. Nalahelo tanteraka ilay rangahy fa lasan’ny mpanambola ny tany nohajariany. Nambarany, fa tsy nahazo alalàna avy tamin’ny fokontany ary tsy teny nierana tamin’ny fokonolona ny namefena io taniny io. Mangataka amin’ny mpitondra fanjakana mba hijery akaiky ity olan’ny tany ity, ireo fokonolona eny Soavimasoandro, fa mahatsiaro tena ho tratry ny tsindry hazo lena izy ireo. Marihana fa efa nanao fanoherana ary nametraka “opposition” tany amin’ireo tompon’andraikitra voakasika ireto fokonolona niharan’ny tsindry hazo lena ireto ary tsy hanaiky hatramin’ny farany amin’izao fangalana ny taniny izao, fa hanohitra hatramin’ny farany, hoy hatrany ny fitarainan’izy ireo.

