SENATERA MANANJARA ANDRIAMBOLOLONA : Nailiky ny HVM tsy ho loholona fa nametra-pialana tao amin’ny antoko

Misy ny fangatahana ny fanonganana ny senatera Mananjara Andriambololona. Loholona izay avy amin’ny antokon’ny fitondrana teo aloha HVM.

Tsy ny Antenimieradoholona akory no mangataka izao fanonganana izao, hoy ny Filohany Rivo Rakotovao, fa ny birao politikan’ny HVM sy ny vondrona parlemantera HVM. Fantatra manko fa mpikambana tao amin’ity antoko ity ny senatera Mananjara Andriambololona, saingy nametra-pialana tsy ho mpikambana ao amin’izany intsony. Noho izany, tsy nanaraka ny sata mifehy ny antoko izy, hoy ihany ity Filohan’ny Antenimierandoholona ity, ka tokony halana satria voafidy tamin’ny lokon’ny antoko.

Ny 27 Septambra lasa teo moa no tonga teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Làlampanorenana ny taratasy fangatahana ny fanonganana ity loholona ity. Andrasana izany ny momba azy.

Sata mifehy ny mpanohitra

Hitohy kosa  ny fakan-kevitra amin’ny tolo-dalàna mifehy ny satan’ny mpanohitra eo anivon’ny Antenimierandoholona. Ho tanterahina mandritra ny fotoam-pivoriana ara-potoana, izay hanomboka ny talata 15 oktobra ho avy izao izany, rehefa tsy ampy ny fotoana nandinihana izany teo aloha.

Sosonkevitra maro moa no efa naroso momba ity satan’ny mpanohitra ity, izay nakana ny hevitry ny fiaraha-monim-pirenena sy mpanao politika ivelan’ny Antenimiera. Mbola hitohy anefa ny fihainoana azy ireo mialoha ny fandaniana ity tolo-dalàna ity.

Eo ihany koa ny fandinihana ny tetibolam-panjakana, izay anisan’izany ny tetikasan’ny Filoham-pirenena. Ary ho dinihina indrindra koa ny volavolan-dalàna mahakasika ny serasera sy fifandraisana.

Araka ny lalàna anefa dia tsy maintsy haverina eny anivon’ny Antenimierampirena izany tolo-dalàna izany mialoha ny handaniana azy tanteraka.

Vous aimerez aussi