FANAMBOARAN-DALANA : Ho voaeligelina eny Andravoahangy

Anisan’ny voakasiky ny fanamboarana ny làlana eny Andravoahangy. Na Andravoahangy ambony (PK1 + 500) izany na Andravoahangy ambany (PK1+800), atsy ho atsy.
Hihazo iny faritra iny ny  fanamboarana ataon’ny fitondram-panjakana ato ho ato. Efa nanomboka ny 03 oktobra teo izany ary tsy hifarana raha tsy ny 20 oktobra. Tsy azon’ny fiara rehetra hifamoivoizana, araka izany, ireo faritra ireo.

Ny 25 oktobra kosa vao hiverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana eny Ankorondrano, akaikin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy.
Misedra izao fanelingelenan’ny fifamoivoizana izao ihany koa moa ny eny Itaosy, izay hikatona manomboka amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva. Misokatra kosa ny làlana aorian’izany.

Vous aimerez aussi