SEKOLY KATOLIKA : Tsy mbola hiverina an-tsekoly ireo mpianatra

Tsy mbola hiverina hianatra ireo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana sy fahatelo ary ireo katita kely hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE eo anivon’ny sekoly katolika.

Nambaran’ny tomponandraikitra fa mbola maro ireo rindran-damina mila jerena akaiky ny fomba fampiharana azy vao afaka manatanteraka izany ny sekoly katolika ho fiarovana ireo mpianatra amin’ny valanaretina covid- 19. Maro tamin’ireo ray aman-dreny manan-janaka mianatra eny anivon’ireo toeram-panabeazana katolika no nankasitraka ny fanapahan-kevitra mbola hampiato ny fampianarana rehetra eo anivon’ny sekoly katolika.

Anisan’ny vahaolana noraisina manoloana ny mbola tsy fiverenana an-tsekoly ho an’ny sekoly katolika ny fanolorana fampianarana amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia ho an’ireo mpianatra mihiboka any an-tokantranony avy. Tsy hirotorotoana, hoy ny avy eo anivon’ny sekoly katolika ny famerenana an-tsekoly ireo mpianatra fa mila fandraisana fepetra hentitra hisorohana ny mety ho fihanaky ny covid- 19 ka hitera-doza ho an’ireo mpianatra sy ny mpiara-belona aminy.

Vous aimerez aussi