PAPA FRANSOA : Nivavaka manokana ho an’ireo Mpanao politika

Nivavaka manokana ho an’ireo mpanao politika maneran-tany, tany Rome, tao amin’ny Maison Sainte Marthe, omaly talata, ny Papa Fransoa. Nohamafisin’ny lehiben’ny Eglizy Katolika Romanina tao anatin’ny vavaka izay nataony fa ny hatsaram-panahy sy ny fikatsahana ny soa iombonana no tokony hibaiko ireo mpanao politika fa tsy ny fijerena manokana ny tombontsoa ho an’ny antoko misy azy akory.

Sehatra iray ahafahana manao asa soa sy hanehoana hatsaram-panahy ho an’ny mpiara-belona ihany koa ny fikirakirana ny politika, hoy hatrany ny Papa Fransoa, ao anatin’izao vanimpotoana sarotra noho ny fipariahan’ny coronavirus izao.

Inoana fa tsy ho toy ny rano araraka eo an-damosin-gana akory ny vavaka nasandratry ny Papa Fransoa fa samy hahay haka lesona sy misintona izay manandrify azy avy ireo mpisehatra politika maneran-tany.

Ho an’ny mpanao politika malagasy, taratry ny vahoaka fa ny fitiavan-tseza sy ny fitiavan-tena ary ny fitiavam-pahefana hatrany no manosika azy ireo hanao politika fa tsy ny fitiavan-tanindrazana na ny fikatsahana ny soa iombonana loatra akory. Manginy fotsiny ny fanaovana valifaty politika tsy misy fiafarany. Mandram-pahoviana ?

Vous aimerez aussi