Mandalo fotoan-tsarotra ihany koa ny OSTIE amin’izao fotoana izao. Betsaka ny Orinasa efa tsy mihodina intsony nohon’ny tsy fisian’ny akora fototra ka tsy afaka mandoa ny “cotisation” latsakemboka intsony. Kely ny vola miditra ary mety hisy ny fanapahan-kevitra raisina mifanaraka amin’izany raha mitohy ny olana. Anisan’izany ohatra ny fanajanonana ireo mpiasa mbola tsy raikitra amin’ny volana May ho avy izao. Na izany dia mbola ho jerena ny fidiram-bola amin’ity volana ity andraisana fanapahan-kevitra sao tsy hahafeno ny karaman’ny mpiasa akory izany. Eo ihany koa ny fitadiavana vahaolana iarahana amin’ny governemanta. Andrasana ny mety tohin’ny raharaha .


