GOVERNORAN’NY FARITRA ATSINANANA : Nangataka ny tsy hifandray amin’ny faritra manodidina aloha

Niampy 15 andro indray ny fahamehana ara-pahasalamana araka ny tapaka nandritry ny filan-kevitry ny ministra, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nangataka tamin’ny fitondrana foibe ny Governoran’ny faritra Atsinanana, mba ho tapahina aloha ny fifandraisana amin’ireo faritra manodidina mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina, hoy izy. Toa ny fifandraisana amin’i Toamasina sy Analanjirofo, Toamasina sy Alaotra Mangoro, Toamasina sy Vatovavy Fitovinany ary Toamasina sy Analamanga. “Hifehy ity valan’aretina COVID 19 ity izahay”, hoy ny Governoran’ny faritra Atsinanana, Richard Rafidison  ary hizara arovava manerana ny distrikan’i Toamasina voalohany sy faharoa.

Na dia vao iray volana aza izao no nitantana ny faritra Atsinanana ny Governora, dia tafiditra tao anatin’ny « confinement » na fihibohana ny faritra, hoy izy. Nambaran’ny Governoran’ny faritra Atsinanana no sady mpitarika ny « Centre de Commandement Opérationnel » Atsinanana na CCO Atsinanana, atoa Rafidison Richard, dia ny distrikan’i Toamasina faharoa no voakasiky ny valan’aretina COVID 19.

Nanaraka ny toromarika

Nohon’ny firaisan-kina nisy teo amin’ireo tompon’andraikitra isa-tsokajiny tsy anavahana, ny tale isan’isany, ny mpitandro ny filaminana, dia saika voahaja avokoa ireo fepetra rehetra napetraky ny fitondram-panjakana ary nanaraka ny toromarika avokoa ireo tompon’andraikitra voalaza ireo. Izany hoe ny 90% ny fepetra dia voahaja tanteraka, hoy ny Governora. Anisan’ireny ny fametrahana ny « Barrage Sanitaire » mivoaka ny lalam-pirenena faharoa RN2 sy mivoaka ny lalam-pirenena fahadimy RN5. Voahaja ihany koa ny ora fikatonan’ny tsena samihafa sy ny birao hatramin’ny 12 ora ny mitataovovonana, ka manomboka amin’ny 1 ora, dia tsy misy olona intsony eny an-dalana, mangina ny tanàna  ary mitohy amin’ny « Couvre feu » amin’ny alina, hoy hatrany ny Governoran’ny faritra Atsinanana.

Nisy « cas »

Mikasika ny fahasalamana, dia nahitana « Cas positif 18 » tao amin’ny faritra. Ka mpiasa tao amin’ny orinasa Ambatovy no nitondra sy namindra ny tsimok’aretina tamin’ireo mpiara-miasa taminy ary io narary io no namindra tany amin’ny vady aman-janany. 4 no sitrana, hoy ny Governora ary mbola arahimaso ny fahasalaman’ireo ambiny, hoy hatrany izy. Miara-miasa amin’ireo komity Loharano koa ny CCO Atsinanana, hoy hatrany ny fanazavany. Nambaran’ny Governora hatrany, fa ny 10% n’ireo fepetra no tsy voahaja. Ny antony, ny fisian’ireo mpitarika Cyclo- Pousse sy Tuc Tuc izay nanao hetsika fanoherana, fa tsy maintsy miasa izy ireo ary nifanenjana tamin’ny mpitandro ny filaminana.

Nomena fanampiana izy ireo, ka vary milanja 60 taonina no nozaraina ho azy ireo ary nomena arovava koa ireto mpitondra Posy (20.000 no isany) sy Tuc Tuc (1500 no isan’izy ireo). Araka ny fanazavan’ny Governoran’ny faritra Atsinanana ihany, dia nahatratra 2.000 ireo olona tonga tao Toamasina. Nojerena ny maripana, ny adiresy misy azy ireo ary nampanaovina “Lettre d’Engagement” ireo olona rehetra ireo. Tao amin’ny “Barrage Sanitaire” no nanaovana izay fitiliana izay, hoy izy.

Vous aimerez aussi