Sacha Bam Bam, “Sacha” avy amin’ny hoe : Natacha ary ny “Bam Bam”, ilay feo miraondraonan’ny gitara beso. Mpanakanto andriambavilanitra mikaroka sy manajary mozika vaovao avy amin’ny fitrandrahana ireo kanto eto Dago sy ny famolahana ny kantom-bahiny toy ny soukouss, coupé décalé, rap, raga… mba hanome mozika kanto sy vaovao tanteraka. Raha atao jery ankapobeny, mirona betsaka mankany amin’ny fanambarana ireo ban-kira mafana anatin’ny vazo iray ny ketri-kanton’ny tovovavy izay ravahan’ny soradihy maneho fahalalahana sy fitiavana fandrosoana nojariany dia ny “Bam Bam dance” izany. Tsara ny mihazona ny mozikan-drazana, hoy i Sacha Bam Bam fa ilaina ihany koa ny miezaka mitondra fikarohana hatrany izay ahazoana manome endrika kanto kokoa azy ireny ahafahana mitondra izany eo amin’ny tsenan’ny mozika maneran-tany. Nandalina ny sehatry ny famoronana lamaody ihany koa I Sacha Bam Bam izay nosalorany ny anarana hoe : “Bam Bam Style”, fianjaika entiny anatin’ny fanaovana mozika. Sacha Bam Bam izay mpiray tampo amin’ilay mpanakanto fanta-daza Tence mena sy I Djedje Manjary.


