MPANAO HOSODOKO : Tsy manana habaka hampirantiana sy Sekoly hanovozona

Mahatsiaro tena ho faralahin-jaza hatrany miohatra amin’ireo mpanakanto namany ireo mpanao hosodoko malagasy. Ny tsy fananan’izy ireo toerana ahafahany mampiranty ireo tsanganasany sy sekoly voatokana handalinana ny tontolon’ny hosodoko no antony. Tsy mahagaga raha toa ka mifanalavitra na misy elanelany kokoa ny mpankafy sy ireo mpanao hosodoko noho ity fahabangana goavana amin’ny tsy fananana toerana hampirantiana ireo “tabilao” vitan’izy ireo. Sao diso hevitra tokoa mantsy isika fa ny mozika, ny hatsikana, dihy … ireo ihany no zavakanto hoenti-mikolo ny saina fa eo indrindra ihany koa ny fankafizana ny hosodoko izay mitondra fitonian-tsaina sy fafinaretana tsy hay ambara ho an’ny olombelona mpankafy ny kanto. Mila fijerena akaiky izany mba tsy hahakivy ireo mpanao hosodoko malagasy izay mampihaiky ireo teratany vahiny tokoa ny talenta ananan’izy ireny. Lesoka lehibe ankoatra ireo tsy ahafahana mampivelatra ny hosodoko eto Gasikara ihany koa ny tsy fijoroan’ny sekoly manokana hoenti-mandalina azy. Maro amin’ireo mpanao hosodoko malagasy, araka izany, no mionona fotsiny ihany amin’ny talenta ananany sy miezaka ny mampianan-tena amin’ny alalan’ny teknolojia ankehitriny toy ny aterineto.

Vous aimerez aussi