RODOBEN’NY MPANOHITRA : Omany ny famerenana ny fifidianana

Nanamafy ny maha-antoko mpanohitra azy ny Hery Vaovaon’i Madagasikara (HVM), ka niroso ho mpikambana eo anivon’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho amin’ny Demokrasia eto Madagasikara (na ny RMDM).

Noho ny toe-draharaha politika misy ankehitriny no voambara fa nanosika azy ireo hiditra amin’ity fikambanan’ny Mpanohitra ity, ka tsy hijanonany intsony ho mpanara-maso fotsiny ihany ny raharaham-pirenena.

Ho amin’ny fanoherana ny HVM

Samy naneho hevitra mikasika ny toe-java-misy mikasika iny tsi-fahatomombanan’ny lisi-pifidianana iny ireo antoko samihafa nanana kandidà tamin’ireo fifidianana nifanesy teto.

Ho an’ny HVM dia namafisiny ny maha tsy tan-dalàna ity Fitondrana ity, izay mahatonga ny tsi-fahamarinan-toeran’ny toekarena. Koa niroso ho amin’ny fanoherana mahasoa ny antoko mba hitsinjovana ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy ary miaro ny tombontsoan’ny Tanindrazana.

Feno ny fepetra fahitana fa tsy mitondra fampandrosoana sy fampanantenana ny Fitondrana, hoy ny mpitondratenin’ny antoko, Rina Andriamandavy VII.

Hanao fitorina vaovao ny TIM

Nanambara hatrany ny fisian’ny hosoka eo amin’ny sehatry ny fifidianana kosa ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) ary maro ihany koa ny fitoriana efa nataony mikasika izany. Noho izany dia mbola hametraka fitoriana vaovao ihany ity antoko ity noho izao fibaribarian’ny lisi-pifidianana tsy ara-dalàna izao, satria ny tompon’andraikitra mikirakira izany mihitsy no nanaiky ny tsi-fahatomomban’ny lisi-pifidianana, hoy ny ny Filohany Marc Ravalomanana.

Nisy ny hosoka, hoy ihany izy, raha jerena ny elanelam-bato tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena fihodinana faharoa iny.

Omaniny ny fifidianana vaovao, hoy ny RMDM

Nitaky ny fanafoanana ny fifidianana rehetra kosa ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara. Koa ny firosoana amin’ny fifidianana vaovao no tokony hatrehina ary indrindra ny fampiatoana ireo mpikambana eo anivon’ny Birao mahaleotena misahana ny fifidianana ( na ny Ceni), ary koa ny mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (na ny HCC), noho ny tsy fahatokisana intsony ireo andrim-panjakana ireo.

Tsy voahaja mihitsy ny safidin’ny Malagasy, hoy izy ireo, ka mametraka ahiahy eo amin’ny fototry ny demokrasia eto Madagasikara.

Araka izany dia manao antso ho an’ireo kandidà rehetra tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny RMDM amin’izao tsi-fahalavorarian’ny lisi-pifidianana izao mba hiara-hisalahy  sy hitaky ny fahamarinana ary ny fampiharana ny lalàna manankery eto amin’ny tany sy ny firenena  satria fandikan-dàlana izao.

Vous aimerez aussi