Foanana ny Easy Park na ny fiantsonam-piarakodia andoavam-bola eny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina. Izany no anisan’ny « veliranon’Antananarivo » noventesin’ny Ben’ny Tanàna nandritra ny fampielezankeviny.
Volana vitsivitsy aty aoriana anefa dia toa sarotra tanterahana tahaka ny fanafoanana ny mpivarotra amoron-dàlana ihany koa izy io.
Misy fifanarahana 15 taona
Araka ny fanazavana nentin’ny Mpanolontsain’ny Tanàna, Lalatiana Ravololomanana dia misy fifanaraham-piaraha-miasa vita sonia io Easy Park io, fa ny fomba fampiharana azy no tsy nazava.
Noho izany dia nametrahan’ity Mpanolontsainan’ny kaominina ity fitoriana ny mikasika azy io noho ny ahiahy mety hisian’ny fanodinkodinam-bahoaka ao aminy. Tsy mbola nisy valiny anefa izany hatreto, hoy ihany izy.
Nambarany fa nilaza tokoa ny Ben’ny Tanàna ny amin’ny hampitsaharana ny asan’ny Easy Park kanefa tsy azo atao fotsiny amin’izao izany satria misy ny fifanarahana maharitra 15 taona mamatotra ny Tanàn’Antananarivo amin’io.
Noho izany eo am-pandinihana izany ny Ben’ny Tanàna sy ny mpiara-miasa aminy amin’izao fotoana izao, mba hanatsarana na hanafoanana mihitsy ny Easy Park. Mila apetraka amin’ny fandaminana mazava sy ara-dalàna anefa izany, hoy izy.
Mampitaraina
Fomba fiasa iray nampitaraina ny maro ny fisian’ity « parking » andoavam-bola ity. Na ny mponina eto an-drenivohitra na ny vahiny avy any amin’ny faritra dia samy naneho fitarainana momba azy io avokoa. Vao adino fotoana fohy monja manko ny fandoavana mialoha ny saram-piantsonana dia efa tonga ny mpiasan’ny «Easy Park » maka sary ny fiaranao sy manolotra ny taratasy handoavana 12.000 ar.
Hafaliana ny an’ny rehetra tamin’ny fahainoana ny fanafoanana azy ity, saingy mbola andrasana indray izany ny aminy.


