Nanao fanadihadiana ve ny Filoham-pirenena mialoha ny fanambarana nataony fa tsy averina ny fifidianana rehetra natao teto amin’ny firenena ? Anisan’ny fanambarana sady fanontaniana napetraky ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, izany io maraina io, ho setrin’ny fanambarana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, tany Toliary, ny amin’ny tsy azo hamerenana intsony ny fifidianana rehetra natao teto Madagasikara.
Nanterin’ity Filohan’ny Loholona ity fa efa nisy ny fanambarana nataon’ny tompon’andraikitra, izay niteraka resabe ka nisian’ny fitakiana any amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny fialan’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny Ceni.
‘Zay 1 million ve ?
Koa, araka izany, hoy izy dia tokony hatao ny fanadihadiana satria misy zava-mitranga eto amin’ny tany sy ny fanjakana, ka ny valin’izany no aoka hamaritra.
Tsy voatery ho famerenana ny fifidianana no ho valin’ny fanadihadiana, hoy hatrany izy. Mety tsy hilaza koa ny valin’ny fanadihadiana hoe tsy azo haverina ny fifidianana.
Tsy resaka isa amina tapitrisa ihany io fa misy ny fomba tokony hatao, hoy ihany Rivo Rakotovao. Fa ohatran’ny halatra ihany io ka tsy azo ilazana fotsiny hoe : izay mba 1 million ve no nangalariko dia maninona ?
Karapanondro 20 taona
Fa manoloana ity resaka lisi-pifidianana sy karapanondro ity ihany dia fantatra izao fa hatao 20 taona indray ny faharetan’ny karapanondro malagasy eny amin’ny olom-pirenena raha 10 taona izany teo aloha.
Asa na ny tsy fisian’ny taratasy no antony na noho ny fotoana tsy ananana firy hanavaozana izany.
Ny fantatra aloha dia hiova endrika ny olona iray sy ny sariny anaty karatra raha izany fe-potoana izany.
Ary ny sehatry ny fifidianana mety tsy ho sarotiny loatra fa ny eny anivon’ny sehatra samihafa, toy ny fakam-bola na taratasim-panjakana isankarazany eny no asa !
Fa dia izay aloha no fampahafantarana atao peta-drindrina ataon’ny Prefektiora eny amin’izao.
Mila kojakojaina tsara, noho izany, iny taratasy manify sarobidy iny.


