RAHARAHA THOMAS RAZAFINDREMAKA : Ho tsaraina eto Antananarivo ihany

Ho raisin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany eto Antananarivo ihany ny raharaha mahakasika ny Filohan’ny GTZ any Ihosy, Thomas Razafindremaka. Ankoatra ny maha-Filohan’ny GTZ azy dia  mpisehatra eo anivon’ny fiarovana ny zon’olombelona ihany koa ny lehilahy.

Nalefa tany am-ponja vonjimaika

Raha tsiahivina moa dia ny 16 febroary lasa teo no nosamborina ary nalefa tany am-ponja vonjimaika i Thomas, satria voalaza ho nanao fisolokiana sy fanodinkodinam-bola. Araka ny fanambaran’ny firaisamonim-pirenena « Rohy » anefa dia noho ny filazana ny tsy mety nataon’ny mpiasa eo anivon’ny Fitsarana  sy ny Zandarimariam-pirenena any Ihosy sy ny Faritra hafa manodidina no nisamborana azy. Novakian’i Thomas bantsilana tamin’izany koa ny fisian’ny fanararaotam-pahefana izay manitsakitsaka ny zon’olombelona ka tsy azoazon’ny tompon’andraikitra ambony.

Araka izany dia nangataka ny « Rohy » mba halefa aty amin’ny Fitsarana Antananarivo ny raharaha hanenjehina azy ka izao tanteraka izao.

Manoloana izany toe-draharaha izany dia naneho fisaorana ny tompon’andraikitra mahefa ny Fikambanan’ny Bara rehetra.

Marihina moa fa nahazo fahafahana vonjimaika noho ny ara-pahasalamana i Thomas Razafindremaka, amin’izao fotoana izao.

Vous aimerez aussi