Hiavaka, tsy toy ny fahita isan-taona ny fanamarihana ny fahatsiarovana ny datin’ny 29 mars 1947. Nosokafana ny andron’ny 28 febroary, ka haharitra iray volana ny fanamarihana an’izany, izay eo ambanin’ny fiahian’ny Ministeran’ny Fiarovam-Pirenena. Tao amin’ny Toby Miaramila RM1 Analakely, izay misy ny Fitaleana ny Mpiady Tia Tanindrazana (Direction des Combattants Nationalistes) no nanatanterahana izany.
Nohavaozina tanteraka io toerana io, ary natao mba hirakitra ireo tantara sy sary maro mahakasika ny tolom-panafahana, izay nataon’ireo mahery fo an’ny Firenena, ka nahazoana ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, izay hoankalazain-tsika amin’ny faha-26 jona ho avy izao ny faha-60 taonany. Tonga nanome voninahitra ny lanonana fanokafana ny Minisitry ny Fiarovam-Pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard. Nandritra izany no nitokanany ny toerana Fitaleana ny Mpiady Tia Tanindrazana, izay vao navaozina ao Analakely ity. Nanamafy ny Minisitry ny Fiarovam-Pirenena fa « Ny tantara tsy fanadino », ary tokony hotsarovana isan-taona, isan’andro, ary isa-minitra mihitsy ny nataon’ireo zoky raiamandreny teo aloha, mahery fo, izay niady mafy ka nahatonga an’i Madagasikara amin’izao toerana misy azy ankehitriny izao. Firenena mahaleo tena, manana ny fiandrianany eo anivon’izao tontolo izao. Izay indrindra no mahatonga ny fitondrana ankehitriny, ny tafika sy ny foloalindahy malagasy hanome lanja sy voninahitra manokana ity daty manan-tantara ity, ka isan’izany ny fitsinjovana manokana ireo mpiady tia tanindrazana, izay mbola misy 954 no mbola velona amin’izao fotoana izao.
Mahakasika ireto farany dia nambaran’ny Kôlônely Rasoloniaina Henintsoa Gabriel, izay lehiben’ny Fitaleavana ny Mpiady Tia Tanindrazana, nandritra ny fandraisany fitenenana tamin’ity lanonana ity, fa efa vita ny fanavaozana ny Karapotsy ho an’ny fiahiana ara-tsôsialy an’ireo olona ireo. Ankoatra izay dia hisy ny hetsika manokana hizarana fanomezana ho azy ireo sy fitsaboana maimaim-poana ho an’ireo izay mihoatra ny 65 taona. Nambarany ihany koa fa izao hetsika fampirantiana izay natomboka teo Analakely izao dia hoentina mitety faritra, mba hamelombelomana indray ny fitiavan-tanindrazana ao am-pon’ny malagasy, ka kendrena manokana amin’izany ireo ankizy sy tanora izay antoky ny hoavin’ny Firenena rahampitso. Ny tarakevitra noraisina hanamarihana ny fankalazana amin’ity taona ity moa dia ny hoe : « Tolom-panafahana 1947, Ilo tsy very enty mampandroso ny Firenena ».


